- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTaom-pihotazana letisia 2021 : Niampy iray ny namoy ny aina…

Taom-pihotazana letisia 2021 : Niampy iray ny namoy ny aina…

Ny alatsinainy maraim-be teo no niainga ny sambo faharoa “Atlantic Klipper” nitondra ny letisia Malagasy milanja hatrany amin’ny 8.000 taonina. Vita hatreo izany ny taom-pihotazana letisia tamin’ity taona 2021 teto Madagasikara, ireo fanondranana amin’ny alalan’ny kaontenera indray no mandeha manomboka izao. Ny faha-26 novambra izao no hiantsona eto Toamasina ny sambo hitondra ireo kaontenera hiazo ny firenena aziatika sy firenana arabo ary Etazonia. “Mbola tsy nisy ohatra an’ity taom-pihotazana ity ny faharatsian’ny fikirakirana vokatra letisia, maro ireo matiantoka sy very vola tamin’ny taom-pihotazana ity”, hoy ireo mpanangom-bokatra tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Fantatra ary izao fa renim-pianakaviana iray vadina miaramila efa misotro ronono nanao fanangonana letisia, maty tampoka ny zoma teo noho ny letisia nentiny tamin’ny Dia fahatelo nataony tsy noraisin’ireo mpanondrana. Kamiao iray ity letisia tsy voaray ity, ka matiantoka nandritra izany ny tenany satria voatery namidy mora teny an-tsena ireo letisia. Torana ilay ramatoa taorian’izay ka vokatra izany dia tapaka ny lalan-dràny nitarika ny fahafatesany tampoka. Olona fahatelo maty tao anatin’ny taom-pihotazana letisia 2021 ity ramatoa ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici