- Publicité -
mercredi, avril 30, 2025
AccueilFaits-DiversTaom-piotazana litchis 2022 : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Mahambo

Taom-piotazana litchis 2022 : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Mahambo

Tao amin’ny fokontany Fotsialanana, kaominina Mahambo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana litchis tamin’ity taona 2022 ity, ho an’ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Atsinanana, ny talata teo. Tonga nanokatra izany tany an-toerana ny ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana maro samihafa tany an-toerana. Taorian’ny tao amin’ny fokontany Fotsialanana, dia notohizana tao Namahoaka izany, fanokafana ny taom-piotazana litchis izany. Araka ny fanazavana azo dia nisedra olana kely ihany ireo mpamboly tamin’ny tsy fahampian’ny orana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, kanefa na dia izany aza dia azo hantenaina fa ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity, fa indrindra ho any faritra Analanjirofo manokana. Vinavinaina ho an’ny 80 ka hatramin’ny 120 taonina any izany amin’ity taona ity. Marihina fa manodidina ny 300 isa eo ho eo ny mpanangom-bokatra nahazo alalàna sy taratasy ara-dalàna avy amin’ny tompon’andraikitra hisehatra amin’ity resaka licthis ity. Talohan’ny fisokafan’ity taom-piotazana ity dia nisy ny atrik’asa niarahan’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifàna, ho fanentanana ireo mpandraharaha mba hampizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany izany taom-piotazana izany. Nandritry ny fandraisam-pitenanana nataon’Atoa Goverinora moa no nirariany soa hombiazana ho an’ireo mpanangom-bokatra, mpitatitra ary mpiasa litchis.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici