- Publicité -
lundi, mai 19, 2025

Tapatapany

# – Antalaha. Olona roa namoy ny ainy. Tamin’ny sabotsy lasa teo dia nisy lozam-pifamoivoizana tany Antalaha. Fiara Srpinter iray nandeha mafy no nivadika. Vokatr’izany, olona roa no maty teo no ho eo ary mpandeha 17 no naratra ary voa mafy mihitsy. Antony nahatonga ny loza, vaky ny kodiaran’ilay fiara ary tsy voafehy intsony ny familiana.

# – Mitsinjo. Lehilahy iray maty voatifitra. Disadisa teo amin’ny fizaram-bola teny amin’ny tsenana’omby no niteraka fitifirana lehilahy iray, tany Andranomavokely, any Mitsinjo, tamin’ny faha-16 jolay lasa teo. Tsy nifanaraka ireo rehetra voakasin’izany. Nidina tany an-toerana ny zandary. Karohina fatratra izay nahavanona ny loza.

 # – Toamasina II. Fatin-dehilahy. Ny faha-18 jolay teo, fatin-dehilahy iray no hitan’ny fokonolona tao amin’ny renirano tao amin’ny fokontany Ambodiatafana Antetezambaro any Toamasina II. Rehefa tonga nizaha ny razana ny dokotera, tsy nahita ratra mivantana tamin’ny tenany. Ny fokonolona any an-toerana no nisahana ny fandevenana an’ity olona ity.

# – Port-Bergé. Tovolahy 17 taona maty voatsindrona antsy. Ny faha-16 jolay teo, tovolahy iray eo amin’ny 17 taona no hita faty tany amin’ny kaominina Ambodivongo any Port-Bergé tamin’ny 5 ora hariva. Nisy nanindrona antsy izy io araka ny voavao. Tany anaty ala no hita ny fatiny. Efa misy ny olona ahiana nahavita ny famonoana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici