- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024

Tapatapany

#-Fanafihana toby fivarotan-dasantsy. Hita tamin’ny « caméra » ireo olon-dratsy. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ireo zandary  tamin’ilay  fanafihana  fivarotan-dasantsy niseho teny Ambohidratrimo, afak’omaly hariva. Hita tamin’ny « caméra » teo amin’ilay toerana ireo olon-dratsy. « Efa miroso amin’ny famantarana azy ireo izahay » hoy ireo mpitandro filaminana. Marihiana fa tsy nisy mpiambina teo amin’ity toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana, raha ny fanampim-baovao voaray.

#-Fenoarivo. Fiara roa nifandona, olona roa naratra mafy. Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny, omaly alina tokony ho tamin’ny valo teo ho eo. Fiara « Kangoo » iray no nifandona tamina taxi « 4L ». Samy naratra mafy avokoa ny mpamilin’ireto fiara roa ireto, izay fantatra fa vehivavy ny iray, raha ny filazan’ireo teny an-toerana. Ireo fiara sendra nandalo kosa no nitondra ireto naratra ireto tany amin’ny toeram-pitsaboana.

Nangonin’i m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici