- Publicité SW45 -
samedi, mai 18, 2024
- Publicité -

Tapatapany

#- Ankazobe. Niharan-doza ny fiaran’ny ministeran’ny atitany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Ankazobe, ny zoma maraina lasa teo. Fiaran’ny ministeran’ny atitany, nitondra mpiasan’ny BNGRC no niala lalana ary nidona tamin’ny rindrin-tany. Vokany, mpandeha iray no naratra mafy ary potika tanteraka kosa ny ilany havia tamin’ilay fiara. Nentina novonjena tany amin’ny tobim-pitsaboana haingana kosa ilay naratra. Ary efa eny am-pelatanan’ny zandary any an-toerana ny raharaha.

#-Tolagnaro. Sambo tsy fanta-piaviana rendrika. Ny zoma lasa teo, sambo iray mitondra ny anarana hoe Ayran Force no rendrika tamin’iny fari-dranomasina Tolagnaro iny, tao amin’ny kaomina Mahatalaky. Araka ny fantatra dia mety ho natosiky ny rivotra tany io sambo io ary dia io dobo rano. Tsy nahitana n’iza n’iza intsony kosa tao anatiny, raha ny fampitam-baovao azo. Nandeha kosa ny feo fa hoe nahitana “bois de rose” marobe tao anatin’ity fiara ity.

#-Raharaha “Arnaud”. Olona sivy hiakatra Fampanoavana. Raha ny fantatra sy ny angom-baovao voaray dia olona sivy no hiakatra Fampanoavana anio, mbola tohin’ilay raharaha fangalàna an-keriny an’i Arnaud niseho tany Toamasina hatrany. Voarohirohy farany tamin’ity resaka ity ireto olona hohenoina ireto, ka anisan’i Lejô. Fantatra ihany koa fa efa nampiakarina aty an-drenivohitra Ramika, ilay voasambotra ny zoma lasa teo, tany Anivorano, hatao fanadihadiana.

Nangonin’i m.L / r.s

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici