- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -

Tapatapany

# – Toliara. Zazalahy 10 taona nisy nanolana, tsy afa-mipetraka. Tovolahy kely vao 10 taona monja no nisy nanolana tany Toliara, ny herinandro iny. Tsy sahy nilaza tamin’ny ray aman-dreniny ny zava-nihatra taminy ity zazalahy ity noho ny fandrahonana ho faty nataon’ilay lehilahy nanolana azy, ka ny alarobia teo izy vao sahy namboraka sy nitantara tamin’ny reniny ny zavatra nahazo azy. Rehefa nozahan’ny mpitsabo dia voamarina fa niharan’ny herisetra ara-nofo ilay zaza, ary nipotsaka ny lava-pitombenany izay tsy hafahany mipetraka maharitra ela, hatramin’izao fa marary. Karohina kosa amin’izao ilay nahavanon-doza, raha ny vaovao voaray.

# – Toliara II. Ramatoa tratra nampirafy, norasarasaim-badiny ny antsy. Renim-pianakaviana iray nanodidina ny 25 taona, izay manan-janaka roa, no tratram-badiny nangala-pitia nampirafy tamina tovolahy iray ka norasarasain-drangahy ny antsy ary naratra mafy, afak’omly antoandro, tany Ankililoaka Toliara II. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia ny hamono hahafaty ny vadiny no tanjon’ity raim-pianakaviana romotry ny hatezerana tsy nahatanty fampirafesana ity, saingy niara-nirohotra namonjy an-dramatoa ny mpifanolo-bodirindrina. Raha tsy izany dia faty nihosin-drà novantanin’ny fianakavian-dramatoa. Mbola manaraka fitsaboana ity renim-pianakaviana ity noho ny ratra mafy nahazo azy.

# – Tsimenatse Toliara. Tovovavy bevohoka tratra nangalatra akoho amam-borona, saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Tovovavy iray bevohoka tratra nangalatra akoho aman-borona no saika matin’ny fitsaram-bahoaka,omaly naraina, tao Tsimenatse Toliara. Efa leom-boan’anana amin’ny hala-botry ataony ny mponina eo an-tanàna. Akoho sy akanga tao anaty fisoko no nangalariny tamin’io andro io, izay saika hamidiny dimy alina ariary, ko tra-tehaka, satria mailo avy hatrany ilay olona nokasainy hivarotana ireo entana halatra, ka nampandre ny teo amin’ny manodidina. Asa, noho ny tahotra na nody gaigy, rehefa voasambotra ity tovovavy ity dia narary nihetsi-jaza sady nifona mafy fa tsy hamerin-keloka intsony, ka nalefan’ny fokonolona efa romotra,  hita ho vonona hamono sy hidaroka azy nody. Raha tsy izany dia saika zavatra hafa no nitranga noho ny hatezeram-bahoaka.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici