- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -

Tapatapany

#   Antanifotsy “lozam-pifamoivoizana”. Lehilahy iray namoy ny ainy. Ny 4 febroary teo, taminn’y 7 ora sy sasany hariva, mpitaingina bisikileta iray no maty nodomina moto teny amin’ny RN 7 PK 85+600 teny Lovainjafy Ambohimandroso disitrikan’Ambatolampy. Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao Ambohimandroso nanao ny fanadihadiana. Tamin’izany no nahalalana, fa  mamo ilay nitondra moto ary nentina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana.

#   Fatin-dehilahy nihoson-drà. Fatin-dehilahy iray eo amin’ny 35 taona eo no naterina roalahy teny amin’ny tranom-paty Ampefiloha. Ny vaovao no nahalalana fa misy dian’antsy eo amin’ny tendany sy ny kibony. Tsy fantatra izay antony namonoana azy. Ireo nanatitra koa anefa raha vao tafapetraka ny razana, dia nanao tari-dositra .

#   Varotra rongony. Olona telo nosamborina. Saika manerana ny faritra rehetra eto An-drenivohitra no ahitana mpivarotra rongony. Ny 4  sy 5 febroary, olona telo no nosamborina ka vehivavy ny iray. Ny roa teny Ankorondrano no tratra ary ny fahatelo teny Analamahitsy. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahatrarana rongony efa vonona hamidy marobe.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici