- Publicité -

Tapatapany

# – Toliara. Tovovavy nandeha namonjy karaoke tsy hita popoka. Ny asabotsy hariva teo, tany Toliara, dia tovovavy iray 16 taona, voalaza fa handeha hamonjy “ karaoke “ no niala ny tao an-tranon-dray aman-dreniny no tsy hita popoka hatramin’izao, izay tsy fantatra na maty na velona. Efa nikaroka azy hatraiza hatraiza ny fianakaviany,nefa tsy nahitam-bokatra izany, hoy ny vaovao voaray. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia misy amin’ireo tovovavy kely vao herotrerony sodokan’ny “ karaoke “ midi-potsiny tsy mandoa vola no mingitrika tsy mianatra alarobia hariva sy zoma hariva ary ny faran`ny herinandro, fa voatarika misotro sy mandihy miaraka amin’ izay lehilahy miantoka azy, ary dia tsy mody an-trano mihitsy. Misy an’izy ireny no iharan’ny fanolanana sy filan-dratsy samihafa, izay omena lehilahy fampatoriana na zava-mahadomelina mety hampalemy ny sakafo na zava-pisotro na ny sigara fohiny.

# – RN 6. Vokatry ny ora-nikija, mihotsaka ny ankamaroan’ny lalana. Noho ny fahateran’ny lalana tsy nisy fikojakokana, misy mangalatra ny « buse », ary vokatry ny ora-nikija tamin’iny tapany avaratra andrefan’ny Nosy iny, dia maro ny làlana mihotsaka amin’ny RN 6, toy ny eo anelanelan’i Befotaka sy Antsohihy. Vokatry ny rotsak’orana nentin’ny andro ratsy iny ihany koa dia mbola dibodrano avokoa amin’izao ireo toerana iva amina distrika sivy amin’ny tapan’ny avaratry ny Nosy iny, toy ny ao: Amparafaravola, Ambato-Boeny, Mampikony, Maevatanana, Mahajanga I, Mahajanga II, Mandritsara, Antsiranana I ary Antsohihy. Raha ny tarehimarika vonjimaika : 6 maty, 39 636 traboina, olona 1 214 tsy maintsy nafindra toerana, tanimbary 13 628 hektara dibodrano, ary toeram-pambolena mirefy 4 824 hektara simba. Mampandamaka ny mponina sahady, hoy ny vaovao voaray, ny aretin- kibo sy fivalanana ary ny aretin-koditra (baibay)

# – Fenoarivo Atsinanana. Lehilahy iray matin’ny mosavy, iray hafa miady amin’ny fahafatesana. Ny harivan’ny sabotsy teo, nivarahontsana ny iray tanàna, fa lehilahy roa mpivaro-mandeha no tra-doza tany Fenoarivo-Atsinanana tratran’ny ody ratsy famosaviana, ka namoy ny ainy ny iray, raha miady amin’ny fahafatesana kosa ilay faharoa; izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao, hoy ny vaovao voaray. Tamina tanàna iray ambanivohitra avaratry Fenoarivo no nitranga ny loza, ka mpamily sendra nandalo no niangavian’ny mponina nitondra ny razana sy ilay marary hamonjy hopitaly haingana ao Fenoarivo-Atsinanana. Mila mitandrina ny rehetra amin’ny zavatra hohanina na sotroina rehefa mandeha mila ravinahitra amin’ny toerana iray fa tsy misy tandroka ny ratsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici