- Publicité -

Tapatapany

#  Toliara. Raim-pianakaviana sy tovovavy mpivaro-tena tra-tehaka nanao firaisana ankalaman­jana. Nanararaotra ny haizina noho ny fahatapan-jiro miverina indray ary mahazo laka ao Toliara amin’izao, ity lehilahy iray naka tovovavy mpivaro-tena, ka nanao firaisana ara-nofo ankalamanjana tamin’ity mpampanofa vatana ity, tao amin’ny « Jardin de la mer » Amoron-driaka, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any. Nisy andiana tanora nisotrosotro sy nanala azy anefa tsy lavitra teo, nahatsikaritra ny zava-nisy ka nanatona. Nohorakorahin’ ireto andiana tanora efa mamomamo mafy ireto olon-droa nifampizara sy niezaka nitady fahafinaretana teny amin’ny natiora. Taitra hatramin’ny olona sendra nandalo teny an’ arabe. Nitsoaka noho ny henatr’olona ilay rangahy ka saika tsy tafakanjo sy tafatsangana, hoy ny vaovao. Misy raha la terre !

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici