# Analavory. Zazalahikely iray 11 taona voahosin’ny kamiao mpitatitra solika, naratra mafy, hotapahina ny tongony roa. Ny asabotsy maraina teo, tany Analavory, dia zazalahikely iray vao 11 taona nilalao amoron-dalàna teo ambony dongon-tany nihotsaka ka nibolisatra teny an’arabe no naratra mafy voahosin ny fiarabe mpitatitra solika nandalo tsy nahy. Voatetin’ ny kodiarana taoriana ny tongony roa ka potipotika tsy nisy azo noraisina ny taolana tao anatiny. Nifamonjena nentina tany amin’ ny hopitaly ilay zaza. Tsy vita tany an-toerana ny fitsaboana, raha ny fanazavana voaray, ka voatery nentina niakatra teto Andrenivohitra. Noho ny fahapotehana be loatra amin’ ireo taolana, dia tsy maintsy hotapahina ny tongony roa, hoy ny voalazan’ny mpitsabo mandray an-tànana ny fitsaboana an’ity zaza ity.
# Ikalamavony. Tompon’omby iray maty tsy tra-drano voatifitra, omby 60 mahery lasan’ny dahalo. Dahalo am-polony nirongo basy mahery vaika nandravarava tao an-tanànan’i Soanatao, fokontany Fotadalina, 7 km atsimon’ny renivohitry ny distrikan’ Ikalamavony, ny asabotsy hifoha ny alahady maraina teo, tokony ho tamin’ny iray ora. Tompon’omby iray maty tsy tra-drano voatifitra, ary lasan’ny dahalo nandritra ity fanafihana ity ny omby 60 mahery tao anaty valabe, izay itobian’ny ombin’ny fokonolona rehetra teo an-tanàna. Nihazo an’ilay kizo malaza fieren’ny dahalo any Magnody ireo malaso, hoy ny vaovao.
# Ambositra. Zazavavy 16 taona naratra mafy nodarohan’ny mpampiasa azy, nitory. Tovovavy kely iray 16 taona mpiasa an-trano no naratra mafy mivindana tarehy sy mangana ny vatany manontolo, nodarohan’ny ramatoa mpampiasa azy, ny faramparan’ny herinandro iny, tany Ambositra. Nandositra avy hatrany teny amin’ny mpanara-maso ny asa ity zazavavy niharan’ny vono, avy eo nametraka fitoriana teny amin’ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona amin’ny vono mihatra lava aminy. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia tsy zakan’ity zazavavy ity intsony ny famonoana ataon-dramatoa mpampiasa azy, izay vadina mpitandro filaminana ka tapa-kevitra ny tenany hiala tsy hiasa ao amin’ity tokantrano ity intsony. Etsy andaniny, araka ny loharanom-baovao hatrany, dia mirehareha fatratra ity ramatoa mampiasa zaza tsy ampy taona sady mpamono ity, fa tsy hahavoa azy ilay zazavavy mitory, satria olona ambony izy.
# Toliara. Olana ara-pitiavana, mpamily maty namono tena. Noho ny olana ara-pitiavana. Tovolahy mbola herotrerony, mpamily iray manodidina ny 25 taona, no maty namono tena tamin’ny fandrapahana fanadody marobe, ny sabotsy teo, tany Toliara. Araka ny vaovao voaray, dia nandre siosion-dresaka ilay tovolahy namoy ny ainy ity fa olon-kafa no nahabevohoka ny vadiny. Notazomin’ilay rangahy ho tsiambaratelo tany izany nandritra ny fito volana. Tamin’ny zoma teo, rehefa teraka ramatoa vadiny vao nivaky izy raha nahita ity zaza vao teraka tsy mitovy aminy, ary nilaza ity tovolahy ity fa “ tonga ny fotoana handaozako anareo ”. Dia notanterahina koa ny efa voalazany ny asabotsy teo. Ankona ny fianakaviany sy ny mpiara-monina tamin’ny fasahian’ity tovolahy ity nanapitra ny ainy.
Eric Manitrisa
# Ivato. 6000euros nanjavona, raikitra ny fitoriana. Mpitandro ny filaminana no notorian’ilay olona izay nilaza ho very devizy mitentina 6.000 euros, teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Vokatr’izany dia voatery nanokafana fanadihadiana ireo olona maromaro ary nampanantsoina teny anivon’ny sampan-draharaha miandraikitra an’izany. Raha ny fanazavana azo ,dia nandritry ny fisavana natao azy no nanjavona ireo vola izay niovaova ihany ny tena isany kanefa na izany aza tsy nanakana ny fitoriana tsy nandeha.
# Ampitatafika. Nanjavona teo amin’ny fitoerany ny fiara marika Renault Super 5 iray. Ny alahady lasa teo izany no nanomboka tsy hita raha araka ny vaovao azo. Nametraka fitoriana ny tompony ary mandeha ny fikarohana ny fiara nanomboka tamin’io fotoana io. Tsy ny fiara lehibe ihany izany no lasibatry ny mpangalatra tato ho ato…
# Betioky-Atsimo. Roa ny lohan’ilay zaza raha iray ihany ny vatany. Fotoana fohy taorian’ny nahaterahany dia namoy ny ainy io zaza io ary mba avotra soa aman-tsara kosa ny ainy.
D.R