# – Toliara. Zazavavikely 10 taona maty tsy tra-drano novelesin’ny raikeliny ny angady. Noho ny adina mpivady. Ankizivavikely iray 10 taona no maty tsy tra-drano novelesin’ny raikeliny ny angady, tany Antevamena, Kaominina Tsiamisy, Distrikan’i Toliara II, tamin’ny herinandro lasa teo. Araka ny vaovao voaray, dia nifamaly ireo mpivady. Rehefa tsy nahazaka ny zava-nitranga intsony ilay renim-pianakaviana dia nandositra niala tao an-trano. Navelany irery tao an-trano kosa ilay zazavavikely, zanak’ilay ramatoa tamin’ olon-kafa. Nentin’ny hatezerana diso tafahoatra am-badiny ity raim-pianakaviana ity , ka ilay zaza tsy manan-tsiny no nanamparany ny hatezerany, novelesiny tamin’ny angady avy hatrany. Voa teo amin’ny foto-katony io zaza tsy manan-tsiny niangonan’ny rihatra io, ka maty tsy tra-drano. Narian’ilay rangahy teny amoron-dàlana ny faty ary lasa izy nitsoaka. Mety nenjehin’ny eritreriny ity namono zana-bady ka nitonon-tena avy teo. Nosamborin’ny fokonolona ilay nahavanon-doza, ary natolotra ny manampahefana. Afak’omaly no niakatra fitsarana tao Toliara ny raharaha.
# – Toliara. Lehilahy iray nandroba vazaha sy nangalatra solosaina enti-tanana, saika matin’ny fitsaram-bahoaka. Tovolahy avy nangalatra solosaina enti-tanana iray, ary nitsoaka ka tratra no saika nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany, ny talata teo, tany Toliara. Raha ny vaovao voaray, dia “ordinateur portable” ana teratany vahiny iray nobabena tamin’ny “sac à dos” no nobedain’ity tovolahy. Niantso vonjy ilay vazaha anti-bavy ka vory ny olona teo amin’ny manodidina ary raikitra ny fanenjehana. Voasambotra ilay mpanao sinto-mahery ka samy nanala ny fony nidaroka sy namono azy ny rehetra. Naverina tamin’ny tompony kosa ny fananany voaroba. Raha ny fanazavana azo, dia efa malaza ratsy eo an-tanàna amin’ny halatra ity tovolahy ity. Tsy mety miova amin’ny asa ratsy na dia efa nigadra ka nofaizin’ny olona, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe raha nisy kely.
# – Vohipeno. Raim-pianakaviana 35 taona, maty novoinon’ny mpanendaka tamin’ny fomba mahatsiravina. Lehilahy iray sahabo ho 35 taona any ho any no hita faty nitsirara teny amoron-dàlana, tao Analasoa, Fokontany Ambohimanga, Distrikan’i Vohipeno, ny zoma naraina teo tamin’ny 6 ora. Olona iray handeha hiasa vao maraina no nahita ny razana, ka nanaitra ny teo amin’ny manodidina sy ny Fokontany. Nirohotra nidina teny an-toerana nijery ifotony ny trangan-javatra ny tompon’andraikitra niaraka tamin’ny mpitsabo. Fantatra nandritra ny fizahana, fa maty nisy namono ary tamin’ny fomba mahatsiravina ity rangahy ity satria nahitana diana antsy roa teo amin’ny lohany, ary voalaza fa nendahina izy raha ny tombana, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha. Natolotra ny havany ny vatana mangatsiakany taorian’ny fizahana, ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Eric Manitrisa