- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024

Tapatapany

# – Betanimena Toliara. Barika miisa 2 600 misy poizina mahery vaika famonoana valala nangalarin’ny mpiambina, ary namidiny avy eo. Barika nisy poizina famonoam-balala roa arivo sy enin-jato no tsy hita teny amin’ny toby fametrahana izany  tany Betanimena Toliara. Ny mpiambina tao ihany no nangalatra ireto barika, araka ny fanazavana voaray, ary namidy avy eo. Mahafaty anefa ny fampiasana an’ireo barika ireo, noho ny fatran’ny tahan’ny poizina ambony, hoy ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny komity misahana ny famonoam-balala. Nirotsaka an-tsehatra nanentana ny vahoaka hatramin’ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana, ny Kly Rabe Jules, fa handripaka ain’olona maro ny fampiasana ireo barika misy poizina mahery vaika ireo, na dia diovina aza. Matetika moa ny ilan’olona ny barika any amin’iny faritra iny dia hanaovana toaka gasy na hitahirizana rano hosotroina ao an-trano.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici