- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025

Tapatapany

Tsaralalàna : Mpividy entana voaroba. Nambanana tamin’ny basy kilalao ireo olona handeha avy any Antsirabe izay hividy kojakoja eletronika tetsy Tsaralalàna. Vola mitentina 2.4 tapitrisa ariary no lasa tao anatin’ny indray mipi-maso. Nitsoaka tamin’ny fiara 405 miloko volon-davenona ireo olon-dratsy rehefa vita ny fanafihana. Ireo olona kosa izay nisy naratra dia nentina nitsabo tena aloha izay vao afaka nametraka ny fitarainany teny amin’ny mpitandro ny filaminana.

Anosy : Nisandoka ho komisera ilay “agent”. Niakatra filankevitra anatiny teo anivon’ny pôlisy ilay “agent” izay nisandoka ho komisera. Raha ny fantatra dia nentiny nisoloky izany ary koa niadivany tamin’ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny vondrona hafa. Zandary io nifamaly taminy io raha araka ny vaovao azonay hatrany. Mihaja ary manao fihetsika komisera ny tenany ao anatin’ny hetsika ataony.

Nangonin’i D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici