# – Toliara. Mpanamboatra trano, maty main’ny herinaratra. Rangahy iray mpanamboatra trano mananika ny 52 taona, no maty main’ny herinaratra, afak’omaly hariva tany Toliara. Raha ny fanazavana voaray, dia teo am-panamboarana trano ity raim-pianakaviana “maçon” ity no nahakasika “fil” nitanjaka ny fitaovana nampiasainy. Natsipin’ny herinaratra avy eny ambony manakaiky ny tafo izy ka nitontona tamin’ny tany ary safotra tsy nahatsiaro tena niboba rà ny lohany. Nentina namonjy hopitaly haingana, nefa teny an-dàlana dia tapitra ny ainy.
# – Ambalavao. Olona telo naiditra am-ponja, nahatrarana taolam-paty 78 . Nirongatra tato ho ato ny halatra taolam-patin’olombelona any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny manodidina azy. Ny alatsinainy teo, olona telo no tratra nitondra taolan-dava 78, tany Ambalavao Tsienimparihy no naiditra am-ponja vonjimaika ao Fianarantsoa, rehefa nandalo teny amin’ny fitsarana. Araka ny vaovao voaray, dia teo am-pitadiavana mpividy an’ ireto “saphir blanc” izy telolahy no voasambotry ny mpitandro filaminana, noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo.
Eric Manitrisa