#- Antaninandro. Vehivavy mpivarotra rongony sy lehilahy telo mpifoka voasambotra. Ny alarobia faha-9 martsa, tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro ny vehivavy iray mpivarotra rongony sy telolahy mpifoka. Teny Andravoahangy izy ireo no sarona, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Tratra tany amin’ilay ramatoa ny fonosana miisa 58 sy raraka rongony 1 kg. Olona avy any Atsimo no mamatsy rongony azy ary vidiany 10 000 ariary ny iray sachet. Tsinjarainy ho fonosana maro izany ary amidiny 500 ny iray.
# – Ambohimahasoa. Dahalo 50 nitondra basy nanafika. Ny faha-9 martsa teo, dahalo miisa hatrany amin’ny 50 nitondra basim-borona sy basy maherivaika no nanafika tao Antanifotsy sy Ambohimahasoa. Vokatr’izany, lasan’ireo mpangalatra ny omby miisa 52. Natao ny fanarahan-dia ka omby 13 no tafaverina. Ny vaovao no nahafantarana fa nizotra nianavaratra atsinanana mankany Ambatosoa ireo olon-dratsy. Efa nahesika avokoa ny zandary avy ao Ambihimahasoa sy ny fokonolona. Nilazana hanao sakana ny zandary avy ao Camp Robin sy Vohiposa.
# – Ankazobe. Lozam-pifamoivoizana. Olona roa maratra. Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny RN 4 eo amin’ny PK 99+300 eo amin’ny toerana antsoina hoe Ambatomahananina, kaominina Ankazobe. Fiara 4X4 iray avy any Antsiranana ho aty Antananarivo io niharan-doza io. Voalaza fa noho ny faharerahan’ny mpamily dia nivoaka ny lalana ilay fiara ary nivadika ambony ambany. Olona efatra no tao anatiny ka naratra ny roa, vehivavy avokoa.
nangonin’i r.s.