#Miandrivazo. Dahalo an-jatony nanafika tanana. Mirongatra tanteraka ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra Miandrivazo iny. Ny alarobia lasa teo, nirefodrefotra ny basy tao Ampanihy. Dahalo an-jatony indray no nananafika ity tanana ity. Omby an-jatony no lasa raha ny fampitam-baovao azo. Olona roa kosa no fantatra fa naratra mafy voan’ny balan’ireo malaso. Efa mandeha ny fanarahan-dia an’ireo malaso ireo ataon’ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
nangonin’i m.L