# – Analakely. Raikitra ny sakoroka. Omaly, efa tena saika raikitra ny sakoroka teo ami’ny mpivarotra, andaniny, ary ny avy ao amin’ny polisin’ny kaominina ankilany. Tsy lavitra ny toerana nametrahana ny « podium » no nisy izany. Izay tena niandohan’ny disadisa aloha, tsy mazava loatra, fa araka ny filazan’ny mpivarotra iray dia tsy nahafaly azy ireo ny fihetsika nataon’ireo polisy kominaly. Nisy mihitsy ny fifampikasihan-tanana, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ny farany, niaraka nirohitra ireo mpivarotra marobe naneho izany tsy fahafaliany izany.
r.s.