- Publicité -
mardi, juin 17, 2025

Tapatapany

# Nisy fanadihadiana nisokafana mahakasika ilay vaovao izay nahoraka eraky ny tambajotra sosialy sy haino aman-jery sasantsasany izay nitatitra ny fisian’ny manampahefana iray izay voalaza fa mpisotro toaka loatra. Ny nianjadian’ny fanadihadiana, raha araka ny vaovao izay nohamarinina, dia ny mpitsabo ilay olom-pantatra. Izany hoe ny fomba niparitahan’ny antontan-taratasy mahakasika ny fahasalaman’ilay olona no tena antony nanokafana ny fanadihadiana.

# Tsy sangisangy akory ny resaka cybercriminalité sy ny andininy faha-20 satria efa misy ny miomana ny amin’izany. Misy ny fitadiavana manam-pahaizana amin’ny fikirakirana solosaina mandeha amin’izao fotoana izao ary ny tena asa iandraiketan’izy ireo dia ny fahafantarana ny loharanon’ny fandefasana karazana filazàna amin’ny tambajotran-tserasera. Izany hoe ho fantarina hatramin’ny farany, na amin’ny anarana hafa aza, ny nivoahan’ny fandefasana sary na soratra izay mety manelingelina amin’ny tambajotra sosialy…

# Ho tapaka tanteraka ny làlana rehetra izay mampitohy an’i Mahamasina manomboka anio amin’ny efatra ora tolakandro. Mazava hoazy fa tsy dia tsara intsony ny mitondra fiara mandritr’ity fetin’ny fahaleovan-tena ity satria maro loatra ny làlana izay notapahina ary tsy maintsy hiteraka fitohananana etsy sy eroa izany no koa hiteraka fikorontanan’ny fifamoivoizana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici