# Tsy eny Soamahamanina ihany no mitranga ny savorovoro fa hatreny Antanimora, nandritra ny fanaterana sakafo (afak’omaly) ireo olona izay nofonjaina vonjimaika momba io raharaha io. Tezitra ireo mpanati-bary rehefa tsy navela nandingana ny sakana napetraky ny mpiandry fonja. Nanazava ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fitsarana fa mila fahazoan-dalana manokana ny fanaterana sakafo ho an’ny voafonja ary toraka izany ihany koa ny fandehanana eny, amin’ny toerana maha-saro-pady azy.
# Anjozorobe. Ramatoa maty nipitika avy ao anaty kamiô. Ramatoa iray manodidina ny 30 taona no namoy ny ainy rehefa nianjera sy nipitika avy eny ambony kamio, tany Ambatomanoina, Anjozorobe ny alatsinainy hariva lasa teo. Araka ny fantatra dia niezaka niala tamina sakana nataona olon-dratsy teny an-dalana ity kamio ity, no sady nandeha mafy. Nikivilavila aok’izany ity fiarabe araka izany ka izay no nahatonga ity vehivavy ity nianjera. Efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha.