- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025

Tapatapany

 # – Ambohimahasoa. Dahalo maty voatifitra. Dahalo raindahiny iray no fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny faritra Ambohimahasoa noho ny tifitra nahazo azy. Naharay vaovao ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohipiaonantsoa fa miafina ao amin’ny vadiny teo aloha ny jiolahy malaza iray. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Nodidinina ny trano ary nasaina nivoka ilay dahalo. Tsy nanao izany anefa ny anao lahy fa nitsambikina avy eny amin’ny varavarankely nandositra. Nampitandrina azy ireo zandary nefa tsy nijanona izy. Voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana. Voa teo amin’ny lamosiny ilay olon-dratsy ary iany no nitarika ny fahafatesany. Nalaza ratsy tamin’ny resaka halatr’omby sy vono olona ity lehilahy ity.

# – Talata Volonondry. Lehilahy iray hita faty tao anaty rano. Ny fiandohan’ny herinandro teo no nahitana fatin’olona tao anaty rano teny amin’ny faritry Talata Volonondry. Lehilahy mbola azo lazaina fa tanora io namoy ny ainy io. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa andro vitsivitsy no tsy hita izy io. Olona nandalo teny amin’ilay toerana no nahita ny razana. Manamarika ny eny an-toerana fa fanindroany izao no nisy fatin’olona olona teo amin’io toerana io eo anelanelan’i Betafo sy Ambohimanarivo. Tsy fantatra aloha na nisy namono na ahoana ilay lehilahy. Efa misokatra ny fanadihadiana.

# – Ankadikely. Taolam-paty telo gony. Ny faha-9 oktobra lasa teo, taolam-paty telo gony no hitana mpifankatia sendra nipetrapetraka teo amina toerana iray teny Ankadikely Ilafy. Nampandre avy hatrany ny sefo fonkotany izy ireo. Rehefa izany dia nantsoina ny zandary nizaha ny zava nisy. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Napetraka vonjimaika ao amin’ny fokontany ireo taolana izay nahitana taolan-dava miisa 34 ireo mandram-pahitana ny tompony. Raha tsy misy manao fanambarana filazana very na fasana vaky dia halevina eo amin’ny fasam-bahiny ao Ilafy ny 11 oktobra 2016 ireo taolana ireo.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici