- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024

Tapatapany

# -Fenoarivobe. Efatra mianaka hita faty. Olona efa-mianaka no fantatra fa namoy ny ainy tao amina trano iray tany Ambalamary Fenoarivobe, ny 28 oktobra lasa teo. Gaga ny olona monina ao amin’ny tanàna raha nahamarika fa tsy nivoha ny trano iray tany an-toerana. Tapaka ny hevitra fa hovahana ny varavarana. Akory ny hatairana, fa ireo  izy efa-mianaka, ramatoa lehibe iray sy ny zafikeliny telo, eo ambony fandriana ary efa tsy nisy aina intsony daholo. Araka ny fanadihadiana natao, nahamarika ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo, fa nisy afon-tsaribao narehitra tany ambany rihana. Vokatry ny fahasemporana no nahafaty ireto olona ireto.

# – Maevatanana – Andranomamy. Maty voatifitra ny tompon-trano. Ny 29 oktobra teo, nisy fanafihan-jiolahy tany amin’ny tanana antsoina hoe Bekonikony any Andranomamy any Maevatanana Maty voatifitra ny tompon’ny trano voan’ny bala nanandrify ny fony. Naratra koa ny vadiny niantefan’ny bala teo amin’ny feny. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola mitentina efatra hetsy (Ar 400 000) Ariary. Raha vao nahare ny vaovao ny zandary avy ao Andranomamy, dia nanao ny fanarahan-dia. Tsy nisy tratra ireo mpandroba ary mitohy ny fikarohana an’ireo jiolahy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici