# – Tsaralalàna. Karàna maty tany anaty hotely. Tamin’ny faran’ny heriandro teo, teratany karàna iray no hita faty tao anaty hotely iray teny Tsaralalàna. Ny loharanom-baovao no nahalalàna fa rehefa nilazana ny fianakaviany tsy nanaiky mora izao fahafatesana izao. Nentina teny amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana natao “autopsie”.
# – Nanisana. Roalahy nangalatra môtô. Ny sabotsy lasa teo, nisy olona iray nitondra moto niditra an’iny làlan-tany avy any Nanisana iny ho aty Andranobevava. Nosakanana roalahy sy nambanana tamin’ny basy vita gasy anefa io nitondra kodiaran-droa io ary dia lasan-dry zalahy ny moto.
# – Miarinarivo. Olona iray maty nokapaina famaky. Jiolahy enina nitondra famaky sy antsy no nanafika trano iray tany amin’ny Tanana antsoina hoe Andoharano Ankazofotsy any Miarinarivo. Vokany, olona iray no maty nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ary roa hafa naratra mafy. Lasa ny vola 600 000 ariary.
# – Betroka. Dahalo roa maty, basy iray azo. Dahalo miisa hatrany amin’ny 20 nitondra basim-borona sy antsy maranitra no tonga nangalatr’omby tany amin’ny toerana antsoina Ankaroka any Betroka. Very ny omby 35. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary notarihan’ny commandant de compagnie Betroka niaraka tamin’ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana ka dahalo roa no maty ary azo ny basim-borona iray.
nangonin’I r.s.