- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -

Tapatapany

#-Alaotra. Doro trano sy vonoan’olona. Lehilahy lehibe iray no tezitra ka nandoro tranon’olona roa samihafa. Ny alin’ny zoma heriny no nitrangan’izany tao amin’ny distrika Andilamena. Tezitra ihany koa ireo tra-boina vokatry ny nataon’ilay rangahy ary avy hatrany dia namono nahafaty azy. Rehefa vitan’izy ireo ilay heloka bevava dia nampandre ny zandary tao Amparafaravola ireo olona, naman’ny nitonon-tena ihany raha ny fiheverana azy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary no sady nitazona azy ireo ihany koa.

#- Ambohidratrimo. Tokantrano voatafika, lasa ny entana sarobidy sy ny omby. Efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana, zava-maranitra sy basy, no tonga nanafika tao amina tokantrano iray tany amin’iny distrika Ambohidratrimo iny omaly vao mangiran-dratsy. Vokany, fitaovana sarobidy maromaro no lasan’ireo olon-dratsy, niampy omby roa. Nalaky tonga ny fokonolona namonjy ny tompon-trano raha vao nitranga ny fanafihana hany ka nitsoaka ireto farany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Efa mandeha kosa ny famotorana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Nangonin’i D.R/ m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici