#-Andohatampenaka. Fiara kely niharan-doza teny amin’ny lalam-baovao. Vao ny herinandro teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ilay lalam-baovao etsy Andohatampenaka. Ny alahady teo anefa dia fiara kely iray no niharan-doza teo. Potika tanteraka ity fiara ity. Soa ihany anefa fa tsy nisy ny aina nafoy vokatr’izany raha ny vaovao azo. Hatreto, na dia mbola tsy fantatra aza ny nahatonga ny loza, azo inoana avy hatrany fa tsy maintsy ho fandehanana mafy loatra no nahatonga izao loza izao. Ity araka izany no lozam-pifamoivoizana voalohany nitranga teny amin’iny lalam-baovaon’ny frankôfonia ity.
#-Raharaha vono olona tany Sainte Marie. Tsy nahazo fahafahana vonjimaika ireo voarohirohy. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ilay raharaha nahafaty teratany frantsay roa tany Sainte Marie, volana vitsivitsy lasa izay. Fantatra ary fa mbola nisy olona telo indray voarohirohy tamin’ity resaka ity nosamborina. Tetsy andanin’izay kosa dia nolavin’ny fitsaràna ireo fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ka anisan’izany ilay vazaha sy ilay tompon’andraikitrana banky. Marihana fa efa indroa ireo mpisolo vavan’izy ireo no nangataka ity fahafahana vonjimaika ho an’ireto voarohirohy ireto saingy tsy nekena hatrany izany.
Nangonin’i m.L