# Niteraka hain-trano ny pitik’afo tsy voavono tao Vatomandry. Tao amin’ny toerana izay misy trano fonenan’ny mpiandry fonja no nisehoan’izany. Efitra valo no may kila forehitra ary mpiandry fonja miisa 30 no tsy manan-kialofana vokatr’izany. Nisy avy hatrany ny fifanampiana izay niainga eto anivon’io vondrona io mba ho mariky ny fifanomezan-tànana amin’izy ireo. Tao Toamasina dia efa nandeha ny tsipaipaika sy ny fanampiana omaly. Mbola hiitatra izany satria efa nandeha tamin’ny mpiandry fonja maro ny vaovao ary maro no tohina ka nampanantena ny hanome tànana.
# Ny komisera mihitsy no midina an-tsehatra mandrindra ny filaminana etsy Ankorahotra. Nanomboka ny alatsinainy toe no hitan’ny mpampiasa làlana ny fandraisana andraikitry ny komiseran’ny boriborin-tany faharoa izay tena midina an-tsehatra any amin’ny toerana maro eo amin’ny fari-piadidiana izay iandraiketany.
D.R