- Publicité -
mardi, mai 20, 2025

Tapatapany

# 67ha : Pôlisy notifirin’ny sinoa totohondry. Omaly antoandro no niseho ny raharaha. Tsy fantatra mazava izay niteraka ny tsy fifankahazoana teo amin’ny roa tonta fa notifirin’ny sinoa vavy iray totohondry ny pôlisy iray teo an-toerana. Vetivety taorian’izay dia nisy pôlisy maro tonga nanao “renfort”, raha araka ny fanazavan’izay nahita maso. Nampanahy ny maro ny zava-nitranga sao dia nisy ny hatezerana avy amin’ny mpitandro ny filaminana ka mety hiteraka fisamborana faobe ireo sinoa izay teo amin’ny manodidina. Vokatr’izany ary dia nisy ny nisafidy nanidy tsena, na dia mbola tao anatin’ny habetsahan’ny mpanjifa aza. Nangina tampoka ny tanàna ary niverina tsikelikely ihany ny filaminana rehefa nilamina ny raharaha, taorian’ny fifanazavan’ny roa tonta.

# Alasora : Saika nitovy tamin’i Mampikony. Nisy olona iray voarohirohy ho mpangala-jaza tany Alasora ary nosamborin’ny mpitandro ny filaminana. Vetivety dia nahoraka ny feo ka fotoana fohy taorian’izany dia efa feno olona teo anoloan’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Nangataka izy ireo ny hamoahana izany mba hatao fitsaram-bahoaka, saingy tsy tontosa izany rehefa tsy nanaiky ny tompon’andraikitra. Voatery nandefasana fanaparitahana ary rehefa nisy ny resaka nohazavaina tamin’ny olona fa tsy manara-dalàna izany fikasan’izy ireo izany dia niala tsikelikely teo an-toerana ireo. Saika nitovy tamin’i Mampikony koa Alasora izany omaly. Mahazo vahana hatrany ny fitsaram-bahoaka ary efa mikisaka mihazo an’andrenivohitra…

# Afrikanina nanolana : “Cellule mixte” no mandray ny fanadihadiana azy. Natsangana faran’izay haingana ny sampan-draharaha iarahan’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana, mahakasika ny raharaha fanolanana tao amin’ny hotely lehibe iray. Mpiasa vavy izay mpikarakara efitrano (femme de chambre) no nametraka ny fitoriana ny teratany afrikanina iray izay isan’ny ao anatin’ny delegasiona mamonjy ny fihaonam-be an-tampony ho an’ny firenena miteny frantsay. Tsy dia nampoizina loatra ny zava-nitranga satria dia noraisina tamin’ny fomba feno fanajana avokoa ny vahiny rehetra ary mbola arovana tanteraka aza ny ainy. Saingy asa raha niakatra tany amin’ny lohan’izy ireo izany ka niteraka izao fanaovana fanao ratsy izao. Nohenoina avy hatrany ilay Afrikanina.

Nangonin’i D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici