# Tsy voatana intsony ny fitsaram-bahoaka. Angatahin’ny olona koa izao ny hanaovana fitsaram-bahoaka ny lehilahy roa izay sisam-paty, rehefa voasambotry ny fokonolona taorian’ny halatra jirofo izay nataony. Telo lahy izy ireo ka ny iray maty tsy tra-drano raha mba tonga teny amin’ny mpitandro ny filaminana kosa ny roa hafa. Ao Maninory-Analanjirofo no isehoan’izany ary efa mihetsiketsika ny vahoaka ny hamoahana ireo olona mba hovonoina, raha araka ny vaovao nampitaina taminay.
D.R