- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024

Tapatapany

# – Andohoranofotsy. Halatra piano. Efa maraina tamin’ny faha-27 desambra vao nahatsikaritra ny mpiambina tao amina trano iray teny Andohoranofotsy fa nisy nangalatra ny piano marika Yamaha. Tamin’izany koa no nahitany fa nisy namono ny alika roa tao an-tokotany. Tsy tao an-trano tamin’io fotoana iny tena tompon-trano fa tany Toamasina. Nampandrenesina ny zandary avy ao amin’ny borigady Andohoranofotsy. Misokatra ny fanadihadiana.

# – Antsirabe. Vato sarobidy tsy misy tarataasy. Ny faha-27desambra tamin’ny 12 ora alina, teo amin’ny PK176+200, tratran’ny zandary ny kamiao semi-remorque roa nitondra vato mena tsy misy taratasy milanja 10 taonina. Ana orinanasa iray avy any Ilakaka ireo zaatra ireo, halefa ho aty an-drenivohitra. Nampandrenesina ny « service des mines » ary notazonina ao Antsirabe ireo zavatra ireo.

 # – Betroka. Dahalo nitondra basy FC 20 nanafika. Dahalo roa no fantatra fa maty taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona taorian’ny fanafihana nataon’olona miisa hatrany amin’ny 35. Rehefa raikitra ny fifandonana afaka 5 km ny tanàna dia tafaverina avokoa ny omby 30 very. Mitohy hatrany ny fanadihadiana hikarohana an’ireo mpangalatra ireo.

 # – Ambohimahasoa. Fahatratrarana basy AKM.  Ny faha-28 desambra teo tao amin’ny fokontany Ankaditany, kaominina Vohiposa Ambohimahasoa, dahalo maro tsy fantatra  isa nitondra kalaky no nikasa hanafika tany an-toerana. Hitan’ny olona ny fihetsik’izy ireo ka avy hatrany dia nilazana ny zandary. Avy hatrany dia nihazo an’i Vohiposa ireo mpitandro filaminana, nisy ny nandeha an-tongotra, tao ireo nitondra fiara. Raha vao nahita ireo mpanara-dia ny mpangalatra dia lasa nandositra. Tsy nahatratra azy ireo intsony ny mpanenjika. Tamin’ny fotoana nandosirany anefa, latsaka ny basy AKM iray nisy chargeur feno bala. Tazonina ao amin’ny borigady Vohiposa ilay basy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici