# Vono olona tao Manarintsoa Isotry. Olona iray nosamborina. Taorian’ilay raharaha tsindron’antsy ka nahafatesana olona iray teny amin’iny faritra Manarintsoa Isotry iny, ny alin’ny talata hifoha alatsinainy lasa teo dia fantatra izao fa olona iray no nosamborin’ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny raharaha mba hanaovana fanadihadiana teny an-toerana. Hatramin’ny omaly dia fantatra fa mbola nisy ny fidinana teny amin’ny toerana nitrangan’izany vono olona nataon’ireo pôlisy.
# Ankorondrano. Fiara 4×4 nivadika nodomina « mini-bus ». Nivadika sy nihilana mihitsy ity fiara tsy mataho-dalana iray ity, rehefa voafaokan’ny fiara « mini-bus » tetsy Ankorondrano, omaly alina tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any. Na izany aza anefa, dia tsy naninona ilay mpamily tao anatiny, izay avotra soa aman-tsara.
Nangonin’i m.L