- Publicité -
mardi, juin 17, 2025

Tapatapany

#-Ivandry. Toaka gasy 2160 litatra saron’ny zandary. Ny alatsinainy alina lasa teo, kamiô lehibe iray avy any amin’iny faritra Atsinanan’ny nosy iny no saron’ny zandary nitondra toaka voarara 2160 litatra, voatsinjara amina bidon miisa 108, teny amin’iny faritra Ivandry iny. Fitolahy no nosamborina tamin’izany ka ny efatra mpibata entana, roa mpamily ary iray tompon’ny entana. Efa teo am-piomana ny hamindra ny entana amina fiara sprinter iray hafa izy ireo, no tonga teny an-tsofin’ny zandary ny vaovao mahakasika ireto zava-mahadomelina ireto.

#-Tanjombato. Fatin-dehilahy natsingevan’ny rano. Vata-mangatsiakan-dehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no hitan’ny olona natsingevan’ny rano teny amin’iny faritra Tanjombato iny. Nifatotra ity lehilahy ity ary nahitàna diana ratra tamin’ny tendany, araka ny filazan’ireo mponina. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ifotony.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici