#-Antaninarenina. Lehilahy tsy hita popoka. Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Hoby Rakotonirina, no tsy hita tany nanjavonana rehefa avy nandrotsaka vola tao amina banky teny amin’iny faritra Antaninarenina iny, ny talata lasa teo. Araka ny filazana aparitak’izy ireo anaty tambajotra sosialy ao, ny môtô nentiny anefa dia mbola nijanona teo amin’ny toeram-piantsonana teo amin’io banky io. Saingy hatramin’izao, dia tsy mbola nody tany an-tranony ilay olona, ary tsy fantatry ny fianakaviana izay misy azy.
#-Renivohitra. Telo mianaka nandeha fiara nanjavona. Fa mbola resaka fanjavonan’olona ihany, telo mianaka indray nandeha fiara no voalaza, fa tsy hita popoka nanomboka omaly, teto Andrenivohitra. Nanjavona niaraka tamin’ny fiara izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Diso làlana, sa sanatria nisy nanafika sa niharan-doza tany ho any ? Efa mandeha ny fikarohana.
Nangonin’i m.L