# Anosy. Voasakana ny lalana, saika raikitra ny sakoroka. Fiara iray mampitohy ny renivohitra sy Imerintsiatosika no nosakanan’ny mpitandro filaminana omaly tetsy Anosy. Tsy fantatra anefa izay niseho fa toa hoe norovitin’ity farany ny taratasin’ny fiara, ary nopetahany fitaovana manakana ny fiara tsy handeha ny kodiarana, ary lasa ity nony avy eo. Niakatra ny hatezeran’ireo olona nahita ary niafara hatramin’ny fibahanana ny lalana mihitsy moa izany. Nalaky nilamina ihany moa ny toe-draharaha rehefa nisy ny fifampiresahana ary niverina tamin’ny laoniny ny fizotry ny fifamoivoizana.
Nangonin’i m.L