- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025

Tapatapany

Vatomandry : Nahitana taolam-paty roa gony. Taolam-pe 137 sy taolan-tanana 133 natao tao anaty gony roa no hitan’ny mpandalo teo akaikin’ny « Pilône » tao Ilaka-Est, distrikan’i Vatomandry ny 5 Septambra tamin’ny 5 ora hariva. Tsy fantatra hatreto izay tompony na dia efa mandray an-tanana ny fanadihadiana momba izany ny zandary any an-toerana.

Amparafaravola : Mandoro trano ireo mpangalatr’omby. Dahalo maromaro nitondra basy MAS 36 sy basim-borona no nanafika tao an-toerana ary nandroba ny omby 8 sy ondry  30 an’Atoa Laha Alfred tao Antanamalandy, Fkt Ambalanirahona, ny 5 septambra tamin’ny 6 ora hariva.  Nodoran’izy ireo ny trano fonenana telo avy eo ary nizotra niankandrefana ny diany. Tsy nisy naratra na aina nafoy.

Mahabo : Fanafihan-dahalo nahafatesana olona 4. Dahalo 18 nitondra basim-borona 10 sy famaky no nanafika sy nangalatra omby miisa 50 an’olona miisa 19, samy monina ao Beronono, kaominina Ankilizato, distrikan’i Mahabo, ny 5 septambra 2017 tamin’ny 07 ora maraina. Nisy ny fifandonana tamin’izany ka olona 4 no maty ary 8 no naratra teo amin’ny fokonolona. Nalefa any amin’ny CHR Morondava ny 03 ary any amin’ny CSBII Ankilizato ny 05 tamin’ireo naratra.

Antsohihy : Dahalo nidaroka zandary maty voatifitra. Dahalo iray nitosaka ny fonjan’Antsohihy tamin’ny 2014 nanakorontana tao anaty lanonana tao an-tanàn’i Befanivana, Kaominina Anahidrano, no maty voatifitry ny zandary ny 4 septambra lasa teo. Nariany avokoa ny hena vaventy ka tezitra ny tompon’ny lanonana sy ireo tanora tao, ary nidaroka azy ka vaky ny lohany. Tonga teny an-toerana ny zandary nisambotra azy. Teny an-dalana hiverina ho any amin’ny borigady, teo amin’ny 03 km miala ny tanana, dia nodakany sy nodarohan’ity dahalo ity  tampoka ny iray tamin’ireo zandary ary lasa nandositra izy. Voatery nitifitra ny zandary ka nahafaty azy.
Nangonin’i T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici