- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025

Tapatapany

# -Andravoahangy. Vehivavy hita faty teny an-tsena. Vehivavy iray no hitan’ny olona efa tsy nisy aina intsony tao Andravoahangy omaly. Raha ny fantatra dia karazan’ireny olona mpatory an-tsena sy manan-kialofana ireny ity ramatoa hita faty ity. Ireo mpivarotra maraina mantsy no nahita azy nivalampatra sy efa vatana mangatsiaka teny an-toerana. Nampilazàna avy hatrany ireo tompon’andraikitra rehetra teny an-toerana mahakasika ity tranga. Raha ny filazan’ny olona dia mety ho vokatry ny oram-be nikija ny alakamisy alina teo ka narary vokatry ny hatsiaka no nahafaty ity ramatoa ity, na vokatry ny hanoanana. Efa tonga teny  an-toerana moa ny bmh naka ny razana sy nitondra izany tany amin’iny tranom-paty.

#- Mahajanga. Mpanao kidnapping voasambotra.  Olona telo nikasa ny hanantanteraka fakàna an-keriny tao an-drenivohitr’I Boina tao no voasambotry ny zandary ny alakamisy lasa teo. Angom-baovao azo teo anivon’ny mpitandro filaminana no nahafahan’izy ireo nisakana mialoha ity teti-dratsin’ireto olona ireto. Mbola nahitàna vola vahiny maromaro tany amin’ireto olona ireto, ary fantatra fa mbola misy naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao. Nambara moa fa isan’ny anatina tambajotrana mpaka an-keriny tany amin’iny faritra Betsimisaraka iny ireto olona voasambotra ireto.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici