# -Andravoahangy. Vehivavy hita faty teny an-tsena. Vehivavy iray no hitan’ny olona efa tsy nisy aina intsony tao Andravoahangy omaly. Raha ny fantatra dia karazan’ireny olona mpatory an-tsena sy manan-kialofana ireny ity ramatoa hita faty ity. Ireo mpivarotra maraina mantsy no nahita azy nivalampatra sy efa vatana mangatsiaka teny an-toerana. Nampilazàna avy hatrany ireo tompon’andraikitra rehetra teny an-toerana mahakasika ity tranga. Raha ny filazan’ny olona dia mety ho vokatry ny oram-be nikija ny alakamisy alina teo ka narary vokatry ny hatsiaka no nahafaty ity ramatoa ity, na vokatry ny hanoanana. Efa tonga teny an-toerana moa ny bmh naka ny razana sy nitondra izany tany amin’iny tranom-paty.
#- Mahajanga. Mpanao kidnapping voasambotra. Olona telo nikasa ny hanantanteraka fakàna an-keriny tao an-drenivohitr’I Boina tao no voasambotry ny zandary ny alakamisy lasa teo. Angom-baovao azo teo anivon’ny mpitandro filaminana no nahafahan’izy ireo nisakana mialoha ity teti-dratsin’ireto olona ireto. Mbola nahitàna vola vahiny maromaro tany amin’ireto olona ireto, ary fantatra fa mbola misy naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao. Nambara moa fa isan’ny anatina tambajotrana mpaka an-keriny tany amin’iny faritra Betsimisaraka iny ireto olona voasambotra ireto.
Nangonin’i m.L