- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025

Tapatapany

#- Sambava. Roalahy nifamono noho ny resaka fandriana. Nandeha nitady asa tany amin’iny fokontany Amparihy, ao amin’ny kaominina Antsahavaribe no nifamono tao an-tranon’ny olona nandray azy ireo ny zoma alina teo. Maty tsy tra-drano noho ny tsindron’antsy nahazo azy ny iray tamin’izy roalahy ireto. Araka ny fampitam-baovao azo dia resaka fatoriana no nahatonga ny adin’izy roalah ireto. Voalaza mantsy fa kely loatra ilay fandriana natorin’izy ireo ary dia rafitra ny ady. Tonga tany an-toerana moa ireo zandary ary nisambotra ity nahavanon-doza ity.

#- Ambilobe. Doro tanety nitera-doza. Fiarabe iray no nifandona tamina fiara “minibus Mazda” tamin’iny lalam-pirenena fahenina iny teo Betsimiranjana, kaominina Marivorano, eo amin’ny PK586+300, ny faran’ny herinandro teo. Vokany olona iray no maty tsy tra-drano, efatra kosa no naratra mafy, izay samy nentina tao amin’ny hôpitaly Ambilobe avokoa. Voalaza fa vokatry ny setroka nateraka doro tanety tany an-toerana dia tsy nahita ny lalan-kombana intsony ilay fiarabe ary dia io nifandona tamin’ilay “mazda” io. Ny borigadin’ny zandary ao Ambilobe moa no misahana ny fanadihadiana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici