#-Cntemad. Niafara tamin’ny sakoroka ny fijerena valim-panadinana omaly, tetsy amin’ny biraon’ny Cntemad Antanimena. Nisy mihitsy aza ny fanimban-javatra nataon’ireo mpianatra tonga teny an-toerana, hany ka voatery niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana nandamina izany. Voalaza fa ny fahadisoam-panantenan’ireo mpianatra marobe tonga nijery izany no antony. Izay efa nisy tamin’izy ireo no tonga nilahatra vao maraim-be raha nahita ny filazana tao anaty tambazotra sosialy. Nony tonga teny an-toerana anefa dia nambaran’ireo tompon’andraikitra teny fa ny ampahany vitsy ihany no mivaly fa sisa miandry amin’ny manaraka indray. Marihana fa fanadinana efa vita ny volana novambra lasa teo ity hiandrasan’ireo mpianatra valim-panadinana, tsy mety mivoaka ity.
#-Tsy fandriampahalemana. Jiolahy roa maty voatifitra tao Andohan’Ilakaka, ny alakamisy hariva lasa teo, raha teo am-panafihana mpivarotra iray, izay tsy lavitra akory ny biraon’ny pôlisy tao an-toerana. Telolahy izy ireo ary nitondra basy vita sy fahana « fusil d’assaut », raha ny fampitam-baovao nomen’ny pôlisy. Voasambotra sy azo sambo-belona niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo moa ny iray naman’izy ireo, rehefa io maty voatifitra tao anaty fifampitifirana io ireo namany. Naratra vokatr’izay fanafihana izay kosa tetsy andanin’izay ny tompon’ny tsena ary efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Eo am-panaovana famotorana ity olon-dratsy tratra ity ireo tompon’andraikitra.
Nangon’i m.L