# Mivezivezy erak’Ambohitsoa sy Ivanja ny polisy amin’ny alina. Nohafamafisina ny fisafoana ny kartie noho ny fiverimberenan’ny asan-jiolahy tao anatin’ny herinandro izay. Mahavelom-bolo ny mponina ny mahita ireo mpitandro ny filaminana izay manarain’andro vao miala. Etsy andanin’izany, nampanantena ny depiote miandraikitra iny boriborintany iny ny hanasiana paositry ny polisy eny an-toerana.
# Nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpianatra telo lahy voasambotra teny Vontovorona. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo, ary fantatra fa amin’ny 13 avrily ho avy izao ny fitsarana ny raharaha. Voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana izy ireo.
D.R