#- Omaly no fantatra fa voasambotr’ireo mpitandro filaminana ireo mpivady tompon’antoka tamin’ilay fanondranana olona an-tsokosoko tsy tanteraka ho any Mayotte, tao Ankazomborona Ambilobe ny tapatapaky ny volana martsa lasa teo. Tranga izay niteraka fahafatesana olona am-polony maro tany an-toerana. Marihana fa efa namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana izy ireo taorian’iny loza mahatsiarivana ary izao voasambotra izao. Ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambilobe no miandraikitra ny famotorana tamin’iny raharaha iny.
#- Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy tany Vavatenina noho ny fivarotana menaka jirofo sandoka, ny faran’ny herinandro lasa teo. Menaka jirofo nahatratra hatrany amin’ny 120 litatra no nentina sy nezahiny namidy tamin’io fotoana io, izay nahavariana ireo mponina ihany ka niantsoana mpitandro filaminana. Rehefa tratra tamin’ny fisolokiana moa ranamana dia niaiky ny zavatra nataony ary nanambara fa tsy vao izao ny tenany no nanao izany, fa efa mpitondra io menaka jirofo sandoka io.
Nangonin’i m.L