- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025

Tapatapany.

# 4X4 nitondra razana no mbola nanao lozam-pifamoivoizana koa etsy Antampon’Ihorombe ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo. Olona iray no maty ary dimy hafa naratra mafy ka voatery nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitalin’ny Ranohira. Antampon’Ihorombe dia isan’ny làlana faran’izay mahitsy sy tsara eto amin’ny lalam-pirenena eto amintsika. Tsy mbola voafaritra aha misy hifandraisany amin’izany ilay lozam-pifamoivoizana.

# Fiara iray no kila forehitra tetsy amin’ny 67 ha ny asabotsy teo. Fiara kely mpitattra entana izany ary tsy nisy azo natao ankoatry ny nijery fotsiny ny afo ny olona izay nandalo. Somary nampalahelo ihany satria tena efa adino tanteraka ny fiaraha-mientana rehefa tojo voina. Ny naka sary no nataon’ny olona dia nizara izany tamin’ny facebook. Ny mpamily ny fiara kosa toa ny voan’ny tazo miandry ny fahavoazana fotsiny sisa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici