# Karàna iray no maty nisy nitifitra tao Mahajanga. Tao anatin’ny fahatapahan-jiro no nanararaotan’ireo roa lahy nandeha moto ary tsy misaron-tava nanatontosa an’izany ny zoma hariva teo. Izy hamonjy fodiana io voatifitra io.
# Nivoaka ny làlana ny fiara nentin’ny mpanakanto Big MJ tao Nosy-Be. Tsy nisy ny faharatràna fa ilay fiara kosa no voa mafy. Niala lavaka ary nifatratra tany amin’ny sisin-dàlana. Lasa nandeha tongotra ny mpanakanto ary navelany teo ny fiara.
D.R