Ankizikely iray no namoy ny ainy teo ho no eo omaly antoandro teny amin’iny faritra Andohatampenaka iny. Araka ny filazan’ny olona teny an-toerana dia niampita tampoka izy no sendra nisy fiara roa nitandahatra nipoitra tampoka. Ny iray teo aloha no nandona azy ary ilay taty aoriana no nanitsaka. Nitsoaka kosa ilay voalohany ary nitolo-batana tany amin’ny mpitandro filaminana ny mpamily faharoa. Taorian’ny fitiliana moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Efa mandeha kosa ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana.
Nangonin’i m.L