Ny sabotsy maraina teo tetsy Ivanja Ambohitsoa, tsy lavitry ny lalam-by. Ny olona nivoaka maraina no sendra nahita azy, efa mitsirara sy tsy misy aina intsony tao anaty fotaka. Mbola hita teny aminy moa ny karapanondrony, nahafahana namantatra azy, izay olona mipetraka eny amin’ny manodidina ihany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahafaty azy. Siosion-dresaka, re teny an-toerana ny hoe nisy nanendaka sy hoe nisy namono. Efa tonga teny an-toerana moa ny pôlisy misahana iny faritra iny, ary ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava etsy Anosy kosa no miandraikitra ny famotorana mahakasika ity tranga ity.
Nangonin’i m.L





