- Publicité SW45 -
samedi, novembre 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTARIKA SôVAZIK :  Hanambatra ny mozika moderina sy ny nentim-paharazana

TARIKA SôVAZIK :  Hanambatra ny mozika moderina sy ny nentim-paharazana

Dimy mianadahy no mandrafitra ny tarika sôvazik, zanaky ny faritra no samy tanora avy eto Antsirabe avokoa izy ireo. Araka ny anaran’io tarika io dia ny gadona Sôva no hiangalian’izy ireto, ny hamantaran’ny maro izany sôva izany dia tsy misy zava maneno isan-karazany fa aponga be sy aponga kely miampy fahaizana mitehaka,  saingy mpitendry avokoa moa ny mpikambana dia hifangarao noho izany ny feon-java maneno sy ny Sôva mampiavaka manokana ity tarika ity

Ny taona 2016 no niforina ny sôvazik, efa nandray anjara tamina hetsika ara koltoraly maro sy festival isan-karazany ny tarika, isan’izany ny Angaredona, ny ITM ary fetin’ny mozika.

Marihina fa isan’ny gadona iray mampiavaka ny faritra Vakinankaratra ny sôva, ka hamoha sy hamelona  izany indray no tanjon’ny tarika amin’ny alalan’ny famoronana zava baovao saingy tsy miala amin’ny mozika nentim-paharazana kosa.

Efa namoaka raki-kira iray ny tarika nampitondraina ny lohateny hoe “Ny any aminay” hoy Ibabely ( gitara beso) isan’ireo mponirina ny tarika Sôvazik. Efa an-dalam-piketrehana ny “album” faharoa kosa saingy tsy maha maika izany raha ny fanazavany satria kalitaona-kanto no vokarina. Ahitana vevihavy iray ny tarika, izy no mitana ny feo izay tsy fahitana loatra raha vaky sôva no resahina. Ankoatra azy Tiavina havanana amin’ny Cajon, Jaja mpitendry gitara ary Betanana Xavier ao amin’ny fivelezana aponga maro anaka.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici