- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTatitry ny taona 2020 ny “CRGN Toamasina” : Zandary fito “MD”, iray...

Tatitry ny taona 2020 ny “CRGN Toamasina” : Zandary fito “MD”, iray ny manamboninahitra

Nanao tatitra ny taona nivalona 2020 teo aminy ny komandan’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasika Kly Rabemanatsoa Josh. Nandritra izany no nilazany ireo zava-nisy teo anivon’ny fari-piadidiana iandraketany, ka nahazoan’ny zandary fitarainana sy fitorohana niisa 91. Vokatra izany dia zandary 07 no nampidirina am-ponja ka ny iray tamin’izany dia manamboninahitra. Zandary niisa 62 no nahazo fanasaziana teo anivon’ny zandary ihany raha ny 02 tamin’izany no “officiers”. Na izany aza dia nisy ihany ireo nahazo ny fankasitrahana ka niisa 49 ireo nahazo ny taratasy fankasitrahana, raha ny 09 tamin’izany no manamboninahitra. Isan’ny ady goavana nataon’ny zandary Toamasina koa ny ady tamin’ny tsy fandriampahalemana, ka isan’ny goavana tamin’izany ny ady tamin’ny dahalo tao Ambatondrazaka sy Andilemana. Raha 42% ny taham-piverenan’ny omby nangalarina teo aloha, ny taona 2020 teo dia nahatratra 61% izany ary ny omby nagalarin’ireo dahalo amin’izany dia tsy nisy nihoatra ny 10 raha tafahoatra izany ny halatra teo aloha. 24 tamin’ireo dahalo sy ny namany no maty voatifitra nandritra ny sakoroka, raha 55 kosa ireo nigadra niaraka tamin’ireo mpiray tendro aminy. Teo amin’ny asan-jiolahy tsotra kosa dia 04 ny tranga na fanafihan-jiolahy natrehan’ny zandary, ka ny iray tamin’ireo mpanafika no lavon’ny bala, raha 61 ireo mpanao ratsy nogadraina. Isan’ny hetsika nataon’ny zandary ihany koa ny nisambotra ireo mpiara-miasa amin’ireo mpanao ratsy, ka mpimasy 14 no nosamborina ka ny 07 maty voatifitra raha ny 07 ambiny nahiditra am-ponja. Nahatratra basy kalaky niisa 05, basy vita gasy 02, basim-borona 06 ary bala anaty fonosana 12, kosa ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina. Ankilan’izany dia saha na rongony 02ha no nopotehina tao Moramanga. Rongony milanja 65kgs hafa kosa no tratra tamin’ireo mpibizina ny taona nivalona 2020 iny. Ankoatra izay dia halatra lavanilina milanja 1.234kgs no tratra ny zandary ny taona lasa, ka voatery nopotehina avokoa izy ireo satria lavanilina mbola tsy matoa avokoa tamin’izay. Ny teo amin’ny fanafihana amin’ny lalam-pirenena kosa dia 07 ny tranga nisy tamin’iny taona 2020 iny, hoy ny komandin’ny “CRGN Toamasina”.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici