Ny loto, ny olona marobe mifamezivezy, ny fitohanan’ny fiara, ny tsy fandriam-pahalemana ary ny fotaka. Izany dia ho tonga etsy Amoronankona avokoa raha mifindra eny ny fiantsonan’ny taxi-brousse etsy amin’ny fasan’ny karàna. Efa kivy sahady ny mponina eo an-toerana mamisavisa ny zavatra mety hitranga atsy ho atsy. Heverina ho mitombina ilay fanahiana satria ny lamina eto amintsika dia any am-boalohany ihany no misy. Toa io fasan’ny karàna io dia tena nadio sy nirindra ny fivezivezena sy ny fahadiovana tao anatiny. Tsy nierina akory ny taona dia toerana isan’ny ratsy indrindra ary tsy voaarina intsony mandrak’izao. Dia izay indray izany no hisy etsy amin’ny Bypass atsy ho atsy, raha ny tomban’ny mponina. Vao mainka koa izany hihamafy ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay ankehitriny aza efa manano sarotra ny fandrindràna azy satria noho ny fisian’ny rocade dia maro ny mandray iny ampahan-dàlana iny. Eto anefa dia zotra marobe izay nisy tao amin’ny fasan’ny karàna no hafindra. Kivy ratsy ny mponina ny amin’ny hanjo azy ireo atsy ho atsy, indrindra ireo izay mba nanapa-kevitry ny nanorina any amin’ny manodidina an’Antananarivo satria leo renivohitra.
D.R




