- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Taxi-brousse nitrongy kamiao, mpandeha valo naratra mafy

Ambohimangakely : Taxi-brousse nitrongy kamiao, mpandeha valo naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny marainan’ny alarobia teo, tetsy amin’ny valo kilaometatra sy hiditra ny renivohitra : teo amin’ny toerana antsoina hoe « Garage » ao amin’ny fokontanin’Ikianja, kaominina Ambohimangakely. Potika tsy nisy noraisina ilay taxi-brousse, manao zotra nasionaly, mampitohy an’Ilaka Est sy Antananarivo, rehefa nifandona tamin’ny vodin’ny fiarabe, semi-remorque iray, nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Vokany, tsy nisy ny aina ny nafoy, na izany aza anefa, nisy maromaro ihany ireo mpandeha naratra tamin’ilay taxi-brousse. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany maraina no nahazo fampandrenesena ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, hoy ny vaovao. Nandray andraikitra avy hatrany izy ireo, rehefa nahita ny fahavoazana nihatra tamin’ity fiara mpitatitra ity ka nifanampy tamin’ireo nahitan’ny loza, niezaka namonjy ireo naratra sy tra-boina. « Niisa sivy ireo naratra mafy, ka saika mpandeha avy any Ilaka Est avokoa izy ireo. 46 taona ny zokiny indrindra ary 22 taona ny zandriny indrindra. Ny mpamily ihany koa isan’ireo naratra saingy, azo lazaina fa tsy dia naninona firy » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Teo no ho eo ihany koa dia efa nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity loza. « Raha ny fahitàna am-boalohany ny loza dia tsy azo hihodivirana fa fandehanana mafy ary tsy fitandreman’ny mpamily no nahatonga izany, saingy mbola eo an-dalam-panaovana fanadihadiana izahay ». Tamin’io fotoana io ihany koa dia efa nentina nihazo haingana ny vonjy taitry ny hôpitalin’ny Hjra ireo naratra mafy ary efa samy nahazo fitsaboana sahaza azy ireo avy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici