Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, kilaometatra vitsy tsy hiditra an’Antsirabe ny alakamisy alina teo. Taxi-brousse amin’ilay sokajy ambony na ilay fantatra amin’ny hoe « VIP » no niharan-doza teo Tombotsoa, fokontany Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any. Vokany, olona 13 no naratra ary potika tsy nisy noraisina ity fiara tsara tarehy. Ny fanazavana azo avy amin’ny zandary hatrany no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ary indrindra indrindra vokatry ny tsy fahamamoan’ny mpamily. Efa noraisina avy hatrany moa ny fepetra mahakasika ity farany, hoy hatrany ny fanazavana azo. Notanana natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana ny lehilahy. Ireo naratra kosa efa nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa. Marihana fa tsy mpandeha voasoratra anarana tao anaty « manifold » ireo naratra ireto. Raha ny izy mantsy dia tokony handeha « foana », tsy nitondra mpandeha avy aty an-drenivohitra ho any Antsirabe ilay fiara. Saingy nieritreritra ny hanao « amboniampanga » ny mpamily kanjo loza, ara-bakiteny, ny nahazo.
m.L