- Publicité -
lundi, avril 28, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-moto eto an-drenivohitra : Tsy maintsy manao « gilet » sy « badge...

Taxi-moto eto an-drenivohitra : Tsy maintsy manao « gilet » sy « badge »

Taorian’ny firongatr’ireo olon-dratsy sy tranga tsy fandriam-pahalemana isan-karazany ary nahavoatonotonona ireo taxi moto eto an-drenivohitra dia nandray fepetra ny teo anivon’ny Prefektioran’ny polisy eto Antananarivo. Nisy ny didy nivoaka ny amin’ny tsy maintsy hanaovan’ireo mpisehatra ao anatin’izany asa izany aron’akanjo famantarana sy « badge » voasonian’ny tompon’andraikitra mahefa. Ho fampanarahan-dalàna azy ireo fa indrindra ny hanentanana ireo mpanao taxi-moto ireto hiditra eo amin’ny sehatra ara-dalàna dia nisy ny fampahafantarana sy sy fampianarana nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, ireo teo anivon’ny « Compagnie urbaine de circulation », ny polisy miasahana ny fifamoivoizana, niaraka tamin’ny vovonan’ny mpitatitra taxi-moto eto Madagasikara, omaly. Toerana maromaro fantatra fa hisian’ireo mpanao taxi-moto betsaka eto an-drenivohitra no nanaovan’izy ireo fidinana ifotony. Teny Ambaranjana, Ambanidia, Ambohipo, Mausolée, Ampasampito, Avaradoha, Andravohangy ambony ary Ankadifotsy. Tanjona moa ny hampahanfatatra ity didy nivoaka ity ary fampahatsiahivana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Marihina, araka ny fanazavana azo, fa mbola fanentanana aloha no ataon’izy ireo amin’izao ary mbola maro ireo faritra hotetezina eto an-drenivohitra. Aorian’izay fanentanana izay kosa dia hiroso amin’ny fanasaziana an’izay minia tsy manara-dalàna amin’izay ny eo anivon’ny polisy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tsy tokony ho GILET faha- tany faha-tany fotsiny fa GILET conçu et réalisé par la CUA.
    Misy vidiny dia lasa misy lanjany.
    Ny tompon’ny asa dia mila saro-piaro @ny asany.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici