Miverina indray ny fanenjehana ireo mpanamory taxi-môtô. Nampitandrina avy hatrany aza ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaomina fa avy hatany dia hampidirina valam-pamonjàna mandritry ny folo andro ary mandoa lamandy ny kodiaran-droa izay voamarina fa manao izany asa tsy ara-dalàna izany. Ny anton’ny fandraràna indray dia noho ity karazana fitaterana ity izay manakorontana ny fifamoivoizana no sady manembatsembana ny mpitatitra ara-dalàna. Faritra maro eto an-drenivohitra no misy fitobian’ireo mpanao taxi-moto ary na izany aza anefa dia miovaova toerana izy ireo ary manatona izay be olona mifamezivezy. Miteny moramora amin’ny olona rahamila taxi-moto dia raikitra ny ady varotra izay tsy maharitra ela sao sanatria misy mahatsikaritra satria efa mifanao saka sy voalavo ankehitriny ireo mpanamory sy ny polisin’ny kaomina. Etsy 67Ha, Ampefiloha, Ankadimbahoaka, Andrefan’Ambohijanahary, Ampasapito ary Anjanahary no tena hiantsonan’ireo kodiaran-droa manao taxi-moto. Nisy amin’izy ireo no mpanendaka ary nanararaotra ny mpanjifa izay nentiny. Ankoatr’izay, tsy misy fiantohana na antoka ho an’ny mpandeha azy ireny raha sanatria ka misy lozam-pifamoivoizana. Samy miala fotsiny izany rehefa mitranga izany ary tsy afaka ny mitory akory aza. Izany no mitambatra no lasa miteraka fandraràna ity taxi-moto ity. Na izany aza anefa, tena efa sempotra an-drenivohitra amin’ny lafiny fifamoivoizana sy fitaterana, sao mba tokony jerena ihany ny lalan-kizorana any amin’ny fampanarahan-dalàna sy fanomezana fanofanana ary koa fahafahana manara-maso ny taxi-moto ? Mba miteraka asa ho an’ny tanora maro ihany mantsy ity sehatra ity…
D.R